FAITH ARMY

FAITH ARMY Une page qui rassemble tous les jeunes de toutes âges vers Jésus Christ

Tsy voatery ho takatry ny olona rehetra ny antony hanompoanao an’Andriamanitra. Tsy voatery hankasitraka anao ny olona, ...
23/08/2026

Tsy voatery ho takatry ny olona rehetra ny antony hanompoanao an’Andriamanitra.
Tsy voatery hankasitraka anao ny olona, tsy voatery hidera anao izy ireo, ary tsy voatery hino ny antson’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao koa izy ireo👌✨

Rehefa tsy misy mahita ny ezaka ataonao, Andriamanitra mahita.
Rehefa tsy misy mankasitraka anao, Andriamanitra mahalala ny fonao.
Rehefa tsy misy manome lanja ny fanompoanao, Andriamanitra tsy manadino ny asa ( sacrifice) nataonao ho Azy. 😁

Koa aza kivy raha tsy mahazo sitraka avy amin’olona ianao.
Aza mijanona satria tsy misy mankasitraka.
Rehefa misahirana amin’ny asan’Andriamanitra ianao dia Izy hisahirana amin’ny fiainanao manokana.🔥🔥

Satria amin’ny farany, tsy eo anatrehan’ny olona no hijoroanao, fa eo anatrehan’Ilay Andriamanitra izay mahalala ny fonao sy mahita ny zavatra rehetra ataonao.👌✨

22/08/2026

SOIS FORT
Asabotsy 22 Aogositra 2026
Faith Center Analakely

21/08/2026

SOIS FORT 🔥

BOOST - COACHING - PRAYER

Na inona na inona sedraintsika, aza avela ho levona ny finoana, fa Andriamanitra tsy mandao izay matoky Azy. ✨

Faith Center Analakely eo ampitan’ny Zaimaika isaky ny sabotsy manomboka amin'ny 02 ora ny fotaonatsika tanora.

Tongava amin’ny maha ianao anao ry Tanora namako

Ny zava-dehibe ( important ) amin'ny fiainanao dia ny fiantraikanao amin'ny manodidina. 🙏Ianareo no fanasin'ny tany; fa ...
21/08/2026

Ny zava-dehibe ( important ) amin'ny fiainanao dia ny fiantraikanao amin'ny manodidina. 🙏

Ianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? ✨

Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin'ny olona.

Ianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

— Matio 5 : 13 - 14

𝑺𝒐𝒊𝒔 𝒇𝒐𝒓𝒕 🔥🙌🏻

“Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao ...
20/08/2026

“Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.”
Deoteronomia 31:6

Hey, andao hiaraka aminay ny Sabotsy ho avy izao.
“ Sois Fort “ fivorian’ny Tanora etsy amin’ny Faith Center Analakely amin’ny 2 ora. ✨

Tongava amin’ny maha ianao anao.
Manantena hihaona aminao izahay.

Hiova ny fomba fisainanao.
Hiova ny fiainanao.

Ho Tanora miavaka ianao ✨

𝑷𝑹𝑨𝑰𝑺𝑬 | 𝑩𝑶𝑶𝑺𝑻 | 𝑪𝑶𝑨𝑪𝑯??𝑵𝑮

Raha tia ho « disciple » dia mila manaraka « dicipline ». 🙌🏽Tsy ny zavatra mahafinaritra anao foana no mitranga rehefa l...
20/08/2026

Raha tia ho « disciple » dia mila manaraka « dicipline ». 🙌🏽

Tsy ny zavatra mahafinaritra anao foana no mitranga rehefa lasa miaramila an'i Jesosy ianao ...😌

Rehefa manolotena ho an’i Jesosy isika dia n'inona n'inona hitondraNY ny hafa dia mbola ho avy koa ny anjaranao, fa mila manana toe-po mpankatoa isika ary mila manaiky ny drafitraNY.👌

Ny fanompoana ataonao aza ilaina sitraka na amin'iza na amin'iza🔥

Arakaraky ny fatokianao no hiarakarany refinao "grade-nao".✨

Mila manaiky ny « étape » hitondran'Andriamanitra antsika isika.

Rehefa matoky isika dia mahita ny voninahitr' Andriamanitra .... 🙌🏽🔥

“ Sois Fort” 🔥“Mahereza sy matanjaha. Aza matahotra na mivadi-po, fa Jehovah Andriamanitrao momba anao amin’izay rehetra...
19/08/2026

“ Sois Fort” 🔥

“Mahereza sy matanjaha. Aza matahotra na mivadi-po, fa Jehovah Andriamanitrao momba
anao amin’izay rehetra halehanao.”
— Josoa 1:9

Rehefa tsy dia mahaliana antsika ny zavatra iray, mahita fialan-tsiny isika.
Fa rehefa tena ao am-po kosa, dia mahita fotoana foana. ❤️‍🔥

Koa amin’ity Asabotsy ity, aza mitady fialan-tsiny. Tongava fotsiny, fa fotoana tsy hohadinoina izao, ary matoky izahay fa tsy
hanenenanao ny fahatongavanao.

Ianao no fiandohan’ny fiovana lehibe eo amin’ny fiainanao. 👌Atomboy amin’ny fanovana ny tontolonao sy ireo fahazaranao. ...
19/08/2026

Ianao no fiandohan’ny fiovana lehibe eo amin’ny fiainanao. 👌

Atomboy amin’ny fanovana ny tontolonao sy ireo fahazaranao. ✨

Hatsarao ny tontolo manodidina anao.

18/08/2026

SOIS FORT 🔥

BOOST - COACHING - PRAYER

Aza kivy raha ela kokoa noho izay noeritreretinao ny zavatra iray. Mety misy zavatra lehibe lavitra noho izay eritreretinao omaniNy ho anao. ✨
Mahareta, ary matokia Azy. 🙏🏽

Amin’ny sabotsy 22 Aogositra ho avy izao ny fotoanan-tsika ao amin'ny Faith Center Analakely eo ampitan’ny Zaimaika manomboka amin'ny 02 ora.

Rehefa misy zavatra mafy miseho dia misy zavatra roa  hita :👉 Ny olon-tsotra mitomany , midongy, fa maninona izao no mih...
18/08/2026

Rehefa misy zavatra mafy miseho dia misy zavatra roa hita :

👉 Ny olon-tsotra mitomany , midongy, fa maninona izao no mihatra amiko ..
👉 fa ny miaramila « soldat » kosa dia efa misaina hoe ahoana ny hihoarako an'ity, ary ny handreseko amin'ity ady ity.

Tsy afaka handeha lavitra miaraka amin’Andriamanitra mihitsy ianao raha tsy manana an’izany fomba fisainana izany. 🔥

Raha misy zavatra tena mila amboarina « forme-na » amin’ny olona dia tsy ny « poche-ny » na ny poketrany fa ny fony sy ny sainy.👌

Manàna fomba fisainana mahazaka ny zavatra rehetra.✨
Manàna fomba fisainana tsy mora kivy.✨
Manàna fomba fisainana hihoatra « mi-surmonter » ny zavatra rehetra.✨
Ary aza manaiky ho « victime » foana.😊🔥

Address

Analakely
Analakely
101

Opening Hours

14:00 - 16:00

Telephone

+261341305084

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FAITH ARMY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share