18/03/2026
Ny feonao, Lalàmpanorenantsiaka.
Mbola manasa antsiaka haneho hevitra 💭
MISAOTRA EH! 😊
Mankasitraka antsika rehetra tamin'ny fanarahana sy ny fandraisana anjara mavitrika tamin'ilay ady hevitra mivantana natao omaly.
Lohahevitra lehibe roa no nodinihintsika: ny fahasalamana izay ain'ny vahoaka, ary ny lalàmpanorenana izay fototry ny fiarahana monina.
Maro ianareo no efa naneho hevitra sy nanolotra soso-kevitra sarobidy nandritra ny fampitana mivantana.
Na izany aza, fantatray fa mbola misy ny hevitra tsy tafavoaka noho ny fahateren'ny fotoana.
Ny feonareo no hery manosika ny fanovana, ary ny fijerinareo no manazava ny lalana tokony hizorana.
Koa raha anisan'ireo mbola tsy afaka naneho hevitra ianao, na manana sosokevitra fanampiny tianao hampitaina, dia manasa anao am-pitiavana hizara izany eto amin’ireto rohy ireto:
1️⃣ Dingana voalohany : https://www.facebook.com/share/p/1HBE8iqMfg/
2️⃣ Dingana faharoa : https://www.facebook.com/share/p/1Fw71LbRzX/
3️⃣ Dingana fahatelo : https://www.facebook.com/share/p/1HayebakdT/
4️⃣ Dingana fahaefatra : https://www.facebook.com/share/p/1Gg4jSnXue/
Ny feonao, Lalàmpanorenantsiaka !