Tily Faritany Androy

Tily Faritany Androy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tily Faritany Androy, Nonprofit Organization, Ambovombe.

"Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahana ; nitahiry ny finoana aho". 2 Timoty 4:7Fanovam-beloma Far...
18/11/2025

"Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahana ; nitahiry ny finoana aho". 2 Timoty 4:7
Fanovam-beloma Farany an'i Filoha SAMA Miatreke, Ekipa-paritany Tily Androy, DFB Maitso.
Havoria : 20 Novambra 2025
Fandevenana : 21 Novambra 2025
Toerana : Ambovombe.
Tily Faritany Androy

FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA 2025-2026 * FARITRA ATSINANANATontosa soa aman-tsara ny faha 09 Novambra 2025 tao Amboasary ...
16/11/2025

FANOKAFANA TAOM-PANABEAZANA 2025-2026 * FARITRA ATSINANANA
Tontosa soa aman-tsara ny faha 09 Novambra 2025 tao Amboasary Atsimo.
Ho an'ny Fanabeazana Hatrany ๐Ÿ™
Tily Faritany Androy

Ny Talata 21 Oktobra 2025 dia voatendry ho Doyenne ny Distrika Amboasary i Rรฉvรฉrend ANTSAMALALA Volasoa Adeline Olive, a...
11/11/2025

Ny Talata 21 Oktobra 2025 dia voatendry ho Doyenne ny Distrika Amboasary i Rรฉvรฉrend ANTSAMALALA Volasoa Adeline Olive, avy ao amin'ny EEM Amboasary Atsimo, izay Ekipa-paritany Tily Androy, ao amin'ny Departemanta Aim-panahy sy Fitanan-kaja (APF).
Izay nohamasinin'i Arsevekan'ny Toliara Mgr RAZAFINDRALAMBO Samitiana Johnson.
NB: Ireo Paroasy mandrafitra ny Distrika Amboasary dia miisa 03 : Ampanavy, Ankilimitraha ary Amboasary.
Mirarisoa ho azy amin'ny Adidy Masina nametrahan'I Tompo azy.

Fanokafana Taom-panabeazana 2025 - 2026 ho an'ny MTEM Faritany Androy.Ny 24 - 26 Oktobra 2025.Izay notontosaina tao amin...
31/10/2025

Fanokafana Taom-panabeazana 2025 - 2026 ho an'ny MTEM Faritany Androy.
Ny 24 - 26 Oktobra 2025.
Izay notontosaina tao amin'ny FLM Tranoroa Beloha Androy.
Ho an'ny Fanabeazana Hatrany ๐Ÿ™

Anjaran-tsika Toniam-pivondronana eto amin'ny Faritany Tily Androy indray izao...Tongava ise...Ho an'ny Fanabeazana Hatr...
18/10/2025

Anjaran-tsika Toniam-pivondronana eto amin'ny Faritany Tily Androy indray izao...
Tongava ise...
Ho an'ny Fanabeazana Hatrany

Miandry antsika Mpiandraikitra sy Filoha indray ary hanombohana ity Taom-panabeazana ity indray...Ho an'ny Fanabeazana H...
18/10/2025

Miandry antsika Mpiandraikitra sy Filoha indray ary hanombohana ity Taom-panabeazana ity indray...
Ho an'ny Fanabeazana Hatrany ๐Ÿ™

02/10/2025

๐ŸŒ ๐Ÿฌ๐Ÿฎ ๐—ข๐—ธ๐˜๐—ผ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ โ€“ ๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ ๐—œ๐—ฟ๐—ฎ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—บ-๐—ฝ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ง๐˜€๐˜† ๐—™๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—›๐—ฒ๐—ฟ๐—ถ๐˜€๐—ฒ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐ŸŽ—๏ธ

๐Ÿง  Natsanganโ€™ny Firenena Mikambana ity andro ity ho fahatsiarovana anโ€™i ๐— ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—บ๐—ฎ ๐—š๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ต๐—ถ, ilay โ€œRainโ€™ny tsy fampiasana herisetraโ€, izay nitondra ny vahoaka Indiana ho aminโ€™ny fahaleovantena taminโ€™ny alalanโ€™ny fanoherana am-pilaminana sy ny fampihavanana.

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ Ho antsika eto Madagasikara, zava-dehibe ny mampahatsiahy fa ny fampitsaharana ny herisetra, ny fifanajana ary ny fihavanana no fototra hahafahana miaina miaraka am-pilaminana.

โšœ๏ธRy Tily, isika no hitarika sy hanentana ny fiarahamonina aminโ€™ny tsy fampiasana herisetra.ห‹Ndao ho ampiainina sy hiainana ilay lalร na faha-efatra: ยซ Havanโ€™ny olona rehetra ary mpirahalahy daholo ny Tily ยป.๐Ÿค

๐Ÿ•Š๏ธ Aminโ€™ity androany ity no ampahatsiahivana antsika fa ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ฒ๐—ฟ๐˜† ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ฑ๐˜† ๐—ป๐—ผ ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ, ๐—ณ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐˜๐—ถ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ, ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ผ ๐—น๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฒ๐˜€๐—ฒ๐—ป๐—ฎ.

ยซ ๐—ฆ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ; ๐—ณ๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐˜† ๐—ป๐—ผ ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ๐—ฒ ๐˜‡๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ธโ€™๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ยป
๐— ๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ผ ๐Ÿฑ:๐Ÿต



02/10/2025

๐ŸŽฏ ๐…๐š๐ฆ๐ฉ๐š๐ก๐š๐Ÿ๐š๐ง๐ญ๐š๐ซ๐š๐ง๐š ๐Ÿ๐š๐ง๐ž๐ฆ๐จ๐ซ๐š๐ง๐š

Nohon'ny toedraharaham-pirenena iaraha-mahita sy mahalala dia nirosoana ny fanapahan-kevitra hanemorana amin'ny fotoana manaraka ny FANOKAFANA NY TAOM-PANABEAZANA MTEM 2025-2026 NASIONALY AMIN'NY FOMBA OFISIALY izay saika hatao ny Sabotsy 11 oktobra 2025 hoavy izao eny amin'ny FLM Ambatovinaky.

โ–ถ๏ธ Ny hafatra ho an'ny Mpikambana, amin'ny fandraisana andraikitra eto amin'ny Firenena avy amin'ny Komity Lehibe kosa dia araho araka ny rohy https://web.facebook.com/share/p/171SYBSARy/

Misaotra an'Andriamanitra Lehibe indrindra,Misaotra ny TPTEM Tily Faritany Androy Misaotra an'i Radaka Matotra nanaiky h...
03/09/2025

Misaotra an'Andriamanitra Lehibe indrindra,
Misaotra ny TPTEM Tily Faritany Androy
Misaotra an'i Radaka Matotra nanaiky handrindra ny Lasy,
Misaotra ny KOPA Androy,
Misaotra ny KP sy ny Ekipa-paritany Tily Androy ary ireo Mpiandraikitra...
Fa noho ireo rehetra ireo dia tontosa soa aman-tsara ny 26 - 31 Aogositra 2025 tao Ankaranabo Bekily Androy, ny Lasy Fanomanana Mpiandraikitra (Fanomanana sy Fananterana),
Ho an'ny Fanabeazana Hatrany ๐Ÿ™

21/08/2025

๐ŸŽ‰ ๐——๐—ถ๐—ป๐—ด๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† Tily eto Madagasikara ๐ŸŽ‰
๐Ÿคฉ Am-pifaliana no izarana amintsika fa efa navoaka an-tserasera ny sehatra nomerika ofisialy ho anโ€™ny fampahafantarana sy famoahana taratasy. Ity fitaovana ity dia hanangona aminโ€™ny toerana iray avokoa ny antso hanehoana fahavononana, ny antso fampidirana kandidร , ny fanambarana ho anโ€™ny daholobe ary ireo filazana ofisialy rehetra.

๐Ÿ“Œ Tanjona :
1๏ธโƒฃ Hampitombo ny mangarahara aminโ€™ny fizotran-draharaha.
2๏ธโƒฃ Hanamora ny fahazoana vaovao mitovy ho anโ€™ny rehetra.
3๏ธโƒฃ Hanavao ny fitantanana ara-pitantanana sy fiarahamonina eto anivonโ€™ny Tily Eto Madagasikara.

๐Ÿ‘‰ Jereo ato anie : https://www.scout.mg/fanararaotra


Address

Ambovombe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tily Faritany Androy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share