01/01/2026
TRATRAN'NY TAONA 2026.
Miara-misaotra an'ny Nahary Nomeny tombon'andro isika jiaby ka tratran'ny taona vaovao 2026 ity , ho taona zina sy ho feno fahombiazana Ary hilomano anaty fahasalamana tanteraka isika.
Miarahaba manokana Antsika Fokonolona mpikambana TAFO MIHAAVO , tanora sy vehivavy Ary ianareo mpiara-miombon'antoka amin'ny tambazotram-pokonolona tratran'izao taona vaovao izao.
Horaisina ho larampahamehana n'y fanatanterahana ny :
_ Fanamafisana ny fanomezan-danja ny fandraharahana ara-toekarena sy sosialy mifandrohy amin'ny fitantanana ny Harena voajanahary ho lovainjafy.
_ Fametrahana ny solontenam-pokonolona isaky ny Fokontany manerana ny Nosy Mba hanamafisana ny rafitra ifotony Ary ny zo sy andraikitran'ny Fokonolona.
Isaorana ianareo mpiara-miombon'antoka ara-bola sy teknika efa niaraka taminay hatramin'izay Ary Mbola hiaraka hanatanteraka ny paika sy drafitrasa ny Fokonolona .
Mankasitraka Anareo mpiara-miombon'antoka vaovao ihany koa ny TAFO MIHAAVO amin'ny fitokisanareo ny Fokonolona ka Hiroso amin'ny fiaraha-miasa isika.
Farany ,Dia mankahery Anareo mpitondra Fanjakana amin'izao fotoana izao , hahavita ny adidy sy ny andraikitra hirosoana amin'ny FANOVANA RAFITRA MIAINGA IFOTONY hitantanana ny Firenena fa Mba tsy ho sanatria ho fanatsarana rafitra na olona fotsiny .
MIRARY FETY SAMBATRA HO AN'NY MALAGASY REHETRA .
De Louis gonz mamindraibe
Réseau TAFO MIHAAVO