Sendikan'ny tantsaha mpamboly VARY

Sendikan'ny tantsaha mpamboly VARY Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Sendikan'ny tantsaha mpamboly VARY, Nonprofit Organization, Amparafaravola, Ambohitrarivo.

Hisy solontenan'ny sendika tantsaha mpamboly vary izay avy aty amin'ny faritra Alaotra ihany koa ho avy ao🏳️
23/03/2026

Hisy solontenan'ny sendika tantsaha mpamboly vary izay avy aty amin'ny faritra Alaotra ihany koa ho avy ao🏳️

Diniho sy hevero ihany lahy fa tsy ny Mpamboly vary ihany no ho voa mafy amin'izany vidim-bary mora loatra izany.Potika ...
23/03/2026

Diniho sy hevero ihany lahy fa tsy ny Mpamboly vary ihany no ho voa mafy amin'izany vidim-bary mora loatra izany.
Potika daholo ny fiharoana.
Ny volan'ny Banky tsy ho voaloha.
Ny asa tsy misy
Mety mihaina koa ny karama
Koa Ndao hifanohana hiady amty tolona ity.

12/03/2026

Vita ny dingana voalohany.
Nisy nilaza hatrany fa tsy mihetsika, tsy sahy ary manaiky izay atao aminy ny tantsaha,Saingy androany dia voaporofo fa diso tanteraka izany. Nitsangana ianareo, naneho fa manana fahasahiana, manana fahendrena ary mahafantatra ny zony ny tantsaha.
Koa fisaorana lehibe no atolotra anareo rehetra izay nandray anjara sy nijoro tamim-pahendrena sy firaisankina.

Ny feon’ny tantsaha dia feon’ny aina ho an’ny firenena. Ity dia dingana voalohany ihany, fa efa mampiseho fa rehefa miray hina sy mijoro amim-panajana isika dia tsy azo tsinontsinoavina intsony.
MANKASITRAKA,MANKATRLINA ANTSIKA REHETRA ny Tompo anie omba antsika mianakavy

Ambara Etoana fa tsy marina ny filazĂ na fa tsy   ilay Rahampitso. Famonoana Afo niniana aparitaka ireny ary olona voakar...
11/03/2026

Ambara Etoana fa tsy marina ny filazĂ na fa tsy ilay Rahampitso.
Famonoana Afo niniana aparitaka ireny ary olona voakarama.
Koa mbola manentana antsika rehetra rahampitso 12/03/2026 Fa misy ny Fihetsiketsehina Goavana izay ho tanterahantsika Rehetra miaraka Any Vohidiala.
Ento Ny namana mpamboly, ny Fianakaviana, Ny angady, Kibota, Tracteur, Moto...sns
Aza adino ny Sakafo sy ny Vatsin-dalana.
Ny Sainam-pirenena, Banderoles, Kiririoka sy ny Bapanpa.
Ndao hiara Hientana isika fa Zary tsy misy mpijery sy Tsy misy mpiaino.
Tsy manaiky isika raha tsy mivaly ny Fitakiana.
Dia ny Mba tsy Hahafaty Antoka antsika amin'ny Vidim-bary. Izay efa mitotongana tsy mahazo Gasoil (1/4L) fahefatry ny Litatra akory aza ny Vidin'ny Varintsika 1kg.
Izay nohon'ireto antony Manaraka ireto. Fanesorana ny hetra na (TVA) amin'ny Vary Nafarana avy any Ivelany.
amin'ny na ny Vary Nafarana, de amidy lafo amin'ny avieo.
Ny fanararaotana ataon'ireo Mpividy ny Varintsika na ny Tire vole .
Ny tsy fisian'ny Fanamboarana ny Lalana sy ny Barage ary ny Canal rehetra aty amin-tsika.
Ny Fahapotean'ny Foto-drafitrasam- pambolena aty amintsika.
Koa samia tonga daholo fa tombotsoa iraisana izy ity tompoko.

10/03/2026

Tonga izao ny fotoana! Efa ela loatra isika tantsaha no nitaraina, nefa tsy misy mihaino.
Raha mbola mangina isika dia mbola ho voahitsakitsaka hatrany. Koa mifoaza ry tantsaha!
Mitsangàna, miaraha, ary arovy ny hasin’ny asantsika sy ny vokatry ny hatsembohantsika.

Ry fanjakana malala,Amin’izao fotoana izao dia maro ny tantsaha no very fanahy mbola velona. Isan’andro dia mitotongana ...
07/03/2026

Ry fanjakana malala,

Amin’izao fotoana izao dia maro ny tantsaha no very fanahy mbola velona. Isan’andro dia mitotongana ny vidin’ny vary aty Sihanaka, nefa ny saran’ny famokarana kosa tsy mitsaha-miakatra: lafo ny zezika, lafo ny asa tanana, lafo ny fitaterana, ary mafy ny ezaka atao eny an-tsaha.

Ny tantsaha no mifoha maraina sy miady amin’ny masoandro sy ny orana mba hamokatra ny sakafo ho an’ny firenena. Kanefa rehefa tonga ny fotoana hivarotana ny vokatry ny hatsembohana, dia lasa ambany dia ambany ny vidiny ka tsy mahavita mamerina akory ny vola nampiasaina tamin’ny famokarana.

Ankehitriny aza dia maro ny tantsaha no sahirana mafy, satria mbola be ny vary eny am-pelatanany nefa tsy misy mpividy, na raha misy aza dia amin’ny vidiny tena ambany. Raha mitohy izao toe-javatra izao, dia mety ho very fanahy sy ho kivy tanteraka ny tantsaha, izay tena andry iankinan’ny fiainan’ny firenena.

Noho izany dia miangavy sy manantena ny fandraisan’andraikitra avy amin’ny fanjakana izahay tantsaha: mba hisy ny vahaolana sy fepetra mazava hiarovana ny vidin’ny vary sy hanohanana ny mpamokatra.
Satria raha matanjaka ny tantsaha, dia matanjaka ny firenena. Fa raha potika ny tantsaha, dia ho tandindonin-doza ihany koa ny hoavin’ny sakafo eto amin’ny firenena.
Manantena izahay fa ho re sy ho tsapa ny feon’ny tantsaha.
PS : "Marihana entona fa tsy vaholana ilay SPM ijereo hevitra hafa izahay".

Eto isika dia mampahery hatrany ireo namatsika Nanao GCV izay tena mbola ao anatin'ny ady mafy. 🙏🏻
Mirary soa sy fahombiazana hatrany ho antsika rehetra. 🤝🏼

Mijaly ny Tantsaha amin'ny Fambolana, nohon'ny fahapotehin'ny foto-drafitrasa. Mijaly nohon'ny vidin'ny fitaovam-pambole...
21/02/2026

Mijaly ny Tantsaha amin'ny Fambolana, nohon'ny fahapotehin'ny foto-drafitrasa. Mijaly nohon'ny vidin'ny fitaovam-pambolehina lafo loatra. Mijaly nohon'ny haintany. Mijaly nohon'ny tondradrano, famoana ny vokatra nohon'ny haratsin'ny lalana, ny mpangalatra, ny vidim-bary ... 😢😢😢😢

Nahazo fampitandremana miloko mintso indray isika amin'ity faran'ny Herin'andro ity nohon'ny rotsak'orana be loatra ka m...
21/02/2026

Nahazo fampitandremana miloko mintso indray isika amin'ity faran'ny Herin'andro ity nohon'ny rotsak'orana be loatra ka manentana sahady mba hitandrina ny amin'ny mety ho fiakaran'ny Rano.
Misary soa sy vokatra tsa hoan-tsika heretra. .

21/02/2026

Salama tompoko Betsaka ianareo no mangataka hiditra ho mpikambana ao amin’ny sendikan’ny tantsaha. Mangataka anareo izahay mba hanana faharetana kely, fa misy fandaminana atao amin’izao fotoana izao. Rehefa vita izany dia hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fisoratana anarana. Mankasitraka indrindra amin’ny fahavononanareo sy ny fahatokisanareo.

Address

Amparafaravola
Ambohitrarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sendikan'ny tantsaha mpamboly VARY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share