24/10/2026
NY HO AVY NO HOAVY, NY ANKIZY NO HO AVY! 👧🏽👦🏽❤️
Tsy ampy ny miteny fa ny ankizy no hoavy .
Adidintsika anio ny miaro azy ireo, manabe azy, manome fahafahana hianatra ary mamorona tontolo ahafahany mitombo amim-pahamendrehana.
Ny ankizy tsirairay dia manana zo hahazo fanabeazana, fahasalamana, fiarovana ary fahafahana hampivelatra ny talentany. Tsy tokony ho sakana amin’ny hoaviny ny fahantrana, ny tsy fitoviana na ny toerana nahaterahany.
🤝 Izany no anisan’ny andraikitra tian’ny SK Social Key Association hasongadina: ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy, ny fanohanana ny ankizy ary ny fandraisana anjara amin’ny fananganana taranaka manana fahalalana, soatoavina ary fahafahana hanorina ny hoaviny.
Tsy voatery ho zavatra lehibe avy hatrany ny fanampiana. Mety ho fanohanana ny fianarana, fanomezana fitaovana ilaina, fanentanana ny fiarahamonina, na fiaraha-miasa amin’ireo olona sy rafitra vonona hiaro ny zon’ny ankizy izany.
Ny ankizy tohanana anio dia mety ho mpampianatra, mpandraharaha, mpahay lalàna, mpitarika na mpamorona asa rahampitso.Tsy tokony hiandry ny ho lehibe vao omena lanja izy ireo; mendrika hotohanana dieny izao.
Ny fampandrosoana dia tsy refesina amin’ny harena amboarina fotsiny, fa amin’ny fiainana hatsaraina sy ny taranaka omena fanantenana ihany koa.
SK SOCIAL KEY ASSOCIATION
*Miara-mandray andraikitra, miaro ny ankizy, manomana ny hoavy.* ❤️🇲🇬
tarehimarika momba ny ankizy
Source : MICS 2025, INSTAT/UNICEF; ny taona sy ny sokajin-taona dia voafaritra isaky ny antontan’isa.
37% Fahatapahan’ny fitomboana
Ankizy latsaky ny 5 taona no tratran’ny fahatapahan’ny fitomboana, izay mifandray amin’ny tsy fahampian-tsakafo maharitra.
11% Tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika
Ny tahan’ny fahamiazana (émaciation) amin’ny zaza latsaky ny 5 taona tamin’ny 2025, araka ny tatitra momba ny MICS 2025.
49% Vaksiny
Ny tahan’ny fandrakofana vaksiny amin’ny ankizy 12–23 volana.
17% Tsy mbola vita vaksiny mihitsy
Ankizy 12–23 volana no tsy nahazo vaksiny mihitsy, araka ny MICS 2025.
27% Vaksiny feno
Ny tahan’ny ankizy 24–35 volana nahazo ny vaksiny feno.
75% Fahafahana mianatra eny amin’ny ambaratonga fototra
Tahan’ny fanatrehana sekoly ambaratonga fototra rehefa ahitsy araka ny taona tokony hianarana.
47% Fahavitan’ny ambaratonga fototra
Ankizy mahavita ny tsingerim-pianarana fototra. Mampiseho ny olana amin’ny fahatapahan’ny fianarana izany.
85% Famaizana misy herisetra
Ankizy 1–14 taona iharan’ny fomba famaizana misy herisetra ara-batana na ara-tsaina.
80% Fisoratana anarana amin’ny sora-piankohonana
Ankizy voasoratra ara-panjakana ny fahaterahany, araka ny tatitra ofisialin’ny MICS.
Antontan’isa hafa mifandraika amin’ny fiarovana sy ny fiveloman’ny ankizy:
- 27% amin’ny ankizilahy 5–17 taona sy 24% amin’ny ankizivavy 5–17 taona no tafiditra amin’ny asa ataon’ny ankizy (travail des enfants), araka ny famintinana ny MICS 2025.
- 25% amin’ireo ankizy voakasik’io antontan’isa momba ny asa io no voalaza fa manao asa mampidi-doza.
- 42% amin’ny vehivavy 20–24 taona no efa nanambady na niara-nonina tamin’ny vady talohan’ny faha-18 taonany. Ity dia mari-pandrefesana momba ny fanambadiana aloha loatra, fa tsy tahan’ny ankizy rehetra.
- 30,2% amin’ny ankizy latsaky ny 18 taona no miaina amin’ny tokantrano nahazo fanampiana ara-tsosialy tao anatin’ny telo volana farany; 34% ho an’ny ankizivavy ary 29% ho an’ny ankizilahy.
- 73 isaky ny zaza teraka velona 1.000 ny taham-pahafatesan’ny zaza alohan’ny faha-5 taonany; 30 isaky ny 1.000 kosa ny taham-pahafatesana mandritra ny 28 andro voalohany aorian’ny fahaterahana.
- 18% amin’ny ankizy 7–14 taona no mahafehy ny fahaiza-mamaky teny fototra; 13% no mahafehy ny fahaiza-manao kajy fototra, araka ny famintinana navoakan’ny Moov momba ny MICS 2025.