SK Association

SK Association SK🇲🇬 a pour objectif principal de mettre en place la protection sociale/ développement durable. à Madagascar

En ce jour spécial, toute l’équipe et membre de SK Association tient à adresser ses meilleurs vœux de santé, de réussite...
03/08/2026

En ce jour spécial, toute l’équipe et membre de SK Association tient à adresser ses meilleurs vœux de santé, de réussite et d’accomplissement à Monsieur le Fondateur et président de SK Association.

Votre vision, votre leadership et votre engagement continuent d’inspirer nos actions et de porter notre ambition commune vers l’excellence.

Que cette nouvelle année de vie vous apporte davantage de force, de sagesse et de belles réalisations dans vos missions professionnelles, sociales et humaines.

Heureux anniversaire, Monsieur le PDG Stéphane Kennedy FITIAVANJANAHARY.
Avec toute notre considération et nos vœux les plus sincères.

📸 Retour sur une belle soirée de formation à Antsirabe avec Steve Andriamasy autour de l’Art Oratoire des Affaires.Vente...
06/07/2026

📸 Retour sur une belle soirée de formation à Antsirabe avec Steve Andriamasy autour de l’Art Oratoire des Affaires.

Vente, négociation, pitch commercial et prise de parole professionnelle : les participants ont pu vivre un moment d’apprentissage concret, dynamique et inspirant.

SK Social Key Madagascar Group tient à adresser un remerciement sincère à Steve Andriamasy pour cette belle initiative, son engagement dans la transmission, ainsi que sa volonté de partager son expérience afin d’aider les entrepreneurs et les porteurs de projets à progresser.

Nous sommes heureux d’avoir soutenu cette initiative aux côtés de LIFT Speaker Bureau et de l’ Association JUCD.

Merci à tous les participants pour leur présence et leur engagement. 🙏
Merci également à toutes les personnes qui ont contribué à la réussite de cette rencontre.

💙 Une jeunesse qui sait parler, convaincre et se présenter avec confiance est une jeunesse prête à saisir les opportunit...
01/07/2026

💙 Une jeunesse qui sait parler, convaincre et se présenter avec confiance est une jeunesse prête à saisir les opportunités.

L’ Association JUCD est heureuse d’accompagner l’organisation de cette formation entièrement gratuite sur l’Art Oratoire des Affaires, rendue possible grâce au sponsoring de la société SK Social Key Madagascar-Group, avec l’appui de SK Association, et sous l'initiative de Steve Andriamasy.

🎤 Art Oratoire des Affaires

https://www.facebook.com/share/p/1Cti7QWgaa/

Cette formation est ouverte à tous ceux qui veulent apprendre à mieux vendre, négocier, présenter un pitch, réseauter, persuader et prendre la parole avec assurance.

đź“… Vendredi 03 juillet 2026
📍 Espace MIHAJA Andranovisy, Antsirabe
⏰ 18h30, portes ouvertes dès 18h
🎟️ Entrée gratuite
🪑 Premiers arrivés, premiers servis

Antsirabe, ne ratez pas cette opportunité.
Venez apprendre, échanger et grandir avec nous. ✨

J RALI - SK Amin'ny maha Filoha Nasionalin'ny Jeune RALI an’Andriamatoa Filoha Mpanorina ny SK Association Juriste Steph...
30/06/2026

J RALI - SK

Amin'ny maha Filoha Nasionalin'ny Jeune RALI an’Andriamatoa Filoha Mpanorina ny SK Association Juriste Stephane Kennedy izay mivondrona anaty vovonana RALI dia manentana ny tanora rehetra izy mba hiala amin'ny kolontsain'ny fitarainana sy ny fiandrasana, ka hiditra amin'ny sehatry ny famokarana, ny fandraharahana, ny fambolena, ny fiompiana ary ny asa rehetra mampandroso ny firenena.

Nanolotra fisaorana sy fankasitrahana manokana ho an'ny Staff J-RALI Vakinankaratra izy, izay naneho fahavononana tanteraka sy finiavana matanjaka hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana maharitra. Nandritra ny fihaonany tamin'ireo solontena mandrafitra ny Staff no nametrahana ireo fanamby lehibe sy vina mazava ho fananganana tanora mpamokatra, mpandraharaha ary mpitarika afaka manova ny Faritra Vakinankaratra.

Tsy hijanona any Vakinankaratra anefa ny ezaka. Hanohy ny fitsidihana sy ny fampivondronana ireo tanora manerana ireo faritra 24 eto Madagasikara efa misy ny RALI izahay, mba hananganana tambajotra nasionaly matanjaka, miray hina ary miasa fampandrosoana maharitra amin’ny sehatra Fambolena sy fiompiana izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny vina ny SK Association.

Ny dingana manaraka dia any Toamasina. Hanohy ny fifampizarana vina, ny fanamafisana ny firaisankina ary ny fanentanana ireo tanora handray andraikitra amin'ny fanarenana ny toekarena sy ny fampandrosoana maharitra.

🇲🇬

🇲🇬 ARAHABA TRATRY NY ASARAMANITRA  NY FANKALAZANA NY 26 JONA! 🇲🇬Hoy  Andriamatoa Filoha Tale Jeneraly ny vondrona SK Jur...
26/06/2026

🇲🇬 ARAHABA TRATRY NY ASARAMANITRA NY FANKALAZANA NY 26 JONA! 🇲🇬

Hoy Andriamatoa Filoha Tale Jeneraly ny vondrona SK Juriste Stephane Kennedy androany 26 Jona 2026

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,
Amin’izao andro ankalazantsika ny 26 Jona, tsingerintaonan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izao, dia manolotra fiarahabana feno fanajana sy firaisankina ho an’ny Malagasy rehetra, na any an-tanindrazana na aty am-pielezana.

Ny 26 Jona dia tsy fankalazana ara-tantara fotsiny, fa fampahatsiahivana antsika ny adidy iombonana hanorina firenena matanjaka, marina ary mandroso.

Ny tena hasin’ny fahaleovantena dia tsy voafetra amin’ny lanonana sy ny afomanga, fa hita amin’ny fahafahan’ny vahoaka miaina amim-pahamendrehana, amin’ny fanabeazana mendrika ho an’ny ankizy, amin’ny asa ho an’ny tanora, ary amin’ny fitantanana madio sy mangarahara.

Aoka isika rehetra, na inona na inona firehana sy andraikitra misy antsika, hiray fo sy hiray saina amin’ny fanorenana an’i Madagasikara.

Ny hoavin’ny firenena dia miankina amin’ny asa sy ny fanoloran-tenan’ny tsirairay.

Enga anie ka ny fahaleovantena ankalazaintsika isan-taona tsy hijanona ho fahatsiarovana ny lasa fotsiny, fa ho tena hita sy ho tsapan’ny taranaka Malagasy amin’ny fiainany andavanandro.

Mirary fiadanana, fahasalamana, firaisankina ary fanambinana ho an’ny Malagasy rehetra.

Tratry ny Asaramanitra! Ho ela velona anie i Madagasikara!

🇲🇬

🇲🇬 Tratry ny fetim-pirenena !En ce jour de fierté nationale, SK Association souhaite une très bonne fête de l’Indépendan...
26/06/2026

🇲🇬 Tratry ny fetim-pirenena !

En ce jour de fierté nationale, SK Association souhaite une très bonne fête de l’Indépendance à toutes les familles malagasy, aux jeunes, aux bénévoles, aux acteurs du développement et à tous ceux qui croient en l’avenir de Madagascar.

Ensemble, construisons un pays plus solidaire, plus responsable et plus engagé.

🎉 Fetin’ny Fahaleovantenantsika — Harendrina ho an’ny Taranaka  🎉Amin’izao ankatokin’ny Fetin’ny 26 Jona izao, ankalazai...
25/06/2026

🎉 Fetin’ny Fahaleovantenantsika — Harendrina ho an’ny Taranaka 🎉

Amin’izao ankatokin’ny Fetin’ny 26 Jona izao, ankalazaina amin’ny fo feno fitiavan-tanindrazana sy fanantenana, dia tsy adinonay ny ankizy Malagasy ; taranaka hoenti-manavotra sy mitondra fanantenana ho an'ny ho avy.

📌 SK Social Key Madagascar Group, tarihin’Andriamatoa Filoha Tale Jeneraly Juriste Stephane Kennedy FITIAVANJANAHARY, amin’ny alalan’ny Fondation SK ,dia manatanteraka fizarana harendrina ho an’ireo ankizy zanaka malagasy manerana an’i Madagasikara.

Isaorana manokana ireo mpiara-miombon’antoka SK Social Key Madagascar-Group sy ireo tsara sitrapo SK Association izay manome tanana hatanteraka ity asa fitiavana ity.

"Harendrina iray, tsiky an'arivony." Izy ireny no manazava ny mason'ny ankizy, manaitra ny fanahiny, ary mampahatsiahy antsika rehetra fa ny fahaleovantena dia mitaky fanabeazana, fiahiana, ary fikarakaran'ny taranaka hoavy.

Miaraka amin’ny fitiavana, firaisankina ary fanantenana, andeha isika hanohy ny tolona ho an’ny Malagasy vaovao, miarina, mandroso ary miray.


Miaraka ho an’ny Ankizy, ho an’ny Tanindrazana!

🇲🇬

ANTSONA HO AN’NY TANORA HANDRAY ANDRAIKITRA Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety notanterahina ny 16 Jiona 2...
17/06/2026

ANTSONA HO AN’NY TANORA HANDRAY ANDRAIKITRA

Nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety notanterahina ny 16 Jiona 2025, dia nanentana ny tanora Malagasy Andriamatoa Mpanorina ny SK Juriste Stéphane Kennedy FITIAVANJANAHARY, Filoha Nasionalin’ny Jeune RALI, mba handray anjara mavitrika amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny sehatrin’ny fambolena sy fihompiana .

Nohamafisiny tamin’izany fa ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara dia mifamatotra akaiky amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fiompiana, izay anisan’ny fototry ny toekarena nasionaly sy loharanon’asa ho an’ny tanora maro an’isa.

Araka ny fanazavany, ny tanora dia hery lehibe ho an’ny firenena ka tokony hampirisihina hiditra amin’ny sehatry ny famokarana, ny fandraharahana ary ny famoronana harena, fa tsy hijanona ho mpijery fotsiny manoloana ireo fanamby ara-toekarena sy ara-tsosialy.

Nambarany ihany koa fa ny tanjon’ny Jeune RALI (J-RALI) dia ny hampivondrona ireo fikambanana sy vondron-tanora manerana an’i Madagasikara mba hiara-hiasa amin’ny fananganana tetikasa mamokatra sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Ankoatra izany, dia kasaina hivelatra any ivelan’i Madagasikara ihany koa ny tambajotra, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fifandraisana amin’ireo tanora Malagasy monina any am-pielezana, mba hahafahan’izy ireo mitondra ny traikefany, ny fahaiza-manaony ary ny tambajotra iraisam-pirenena ananany ho fanohanana ny fanarenana ny toekarena Malagasy.

Ao anatin’izany vina izany dia mikendry ny hanangana tambajotra matanjaka mampifandray ireo tanora eto an-toerana sy any ivelany ny Jeune RALI, ho fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fanorenana ny hoavin’i Madagasikara.

"Rehefa mijoro ny tanora, mijoro ny firenena. Rehefa mamokatra ny tanora, mandroso ny firenena."

Voasa handray anjara amin’ny fandaharana DON-DRESAKA anio Alahady 14 Jiona 2026 amin’ny 07 ora sy sasany ariva ao amin’n...
14/06/2026

Voasa handray anjara amin’ny fandaharana DON-DRESAKA anio Alahady 14 Jiona 2026 amin’ny 07 ora sy sasany ariva ao amin’ny TV Plus Madagascar, Andriamatoa Filoha ny SK Stéphane Kennedy FITIAVANJANAHARY .Amin’ny maha Filoha Nasionalin’ny Tanora RALI (Jeune RALI) sy Mpanolontsaina ny Birao Nasionaly RALI azy indridra indridra no hitondrany ny fomba fijeriny sy ny fanehoan-keviny mahakasika ireo raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny, indrindra ireo lohahevitra mafana ankehitriny, ka anisan’izany ny TVM (Taxe sur les Véhicules à Moteur) izay niteraka adihevitra sy fanehoan-kevitra maro teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy.
Hiaraka handray anjara amin’ity adihevitra ity ihany koa :
✔️ Dr Clarisse MANJARY – Solombavambahoakan’i Ivohibe - Présidente commission développement numérique
✔️ RAJOHARISON Andrianina – Olom-pirenena
✔️ Erico RAMIANDRISOA – Filohan’ny Tanora Tsara Tahafina
Manasa ny rehetra hanaraka ny fandaharana sy hanaraka akaiky ny fifanakalozan-kevitra.
🗓️ Alahady 14 Jiona 2026
⏰ 07:30 maraina
📺 TV Plus Madagascar
"Ny fifanakalozan-kevitra ara-demokratika sy ny fifampihainoana no antoky ny fanorenana firenena matanjaka sy mandroso."
✍️ Birao Nasionaly Jeune RALI
🇲🇬 🇲🇬

FIAM 2026 : Antso ho an’ny Tanora Malagasy handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenenaTamin’ny fanokafana tam...
09/06/2026

FIAM 2026 : Antso ho an’ny Tanora Malagasy handray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena

Tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIAM 2026 (Foire Internationale de l’Agriculture de Madagascar), dia nanao antso avo ho an’ny tanora Malagasy ny Mpanorina ny SK Atoa Stéphane Kennedy FITIAVANJANAHARY, Filoha Nasionalin’ny Tanora RALI (J-RALI) sady Mpanolotsaina eo anivon’ny Birao Nasionalin’ny RALI – Rassemblement des Agriculteurs Libres et Indépendants, tarihin’Andriamatoa Filoha Nasionaly Linot Ralahimahary.

Nasongadiny fa ny tanora no hery velona sy andrin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ka ilaina ny fanomezana sehatra sy fahafahana azy ireo handray anjara mavitrika amin’ny famokarana, ny fambolena, ny fandraharahana ary ny fananganana ny toekarem-pirenena.

Nambarany fa tsy ny taona na ny toerana misy ny olona no mamaritra ny lanjany, fa ny fahavononany hiasa, hanana vina ary handray andraikitra ho an’ny fiarahamonina sy ny firenena.

Nampirisihiny manokana ny tanora mba hiala amin’ny toe-tsaina miandry vahaolana avy amin’ny hafa, fa hiditra amin’ny sehatry ny famokarana sy ny famoronana asa, satria ny tanora mpamokatra sy mpandraharaha no fototry ny fahaleovantenan’ny firenena ara-toekarena.

Nasongadiny ihany koa fa ny RALI sy ny J-RALI dia mijoro ho sehatra iray hampivondrona ireo tanora manana finiavana sy vonona handray anjara amin’ny fanavaozana sy fampandrosoana an’i Madagasikara.
Hafatra ho an’ny Tanora Malagasy

“Aoka isika ho tanora tia tanindrazana, tanora mandray andraikitra ary tanora mamorona asa fa tsy miandry asa fotsiny. Ny firenena matanjaka dia atsangan’ny tanora manana finiavana, fahamendrehana ary firaisankina. Ny tanora anio no mpitarika rahampitso, ary ny asa ataontsika anio no mamaritra ny hoavin’ny firenena.”

Amin’izao FIAM 2026 izao, ny J-RALI dia manamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ireo tanora, tantsaha, mpandraharaha ary mpiara-miombon’antoka rehetra, mba hananganana taranaka vaovao mpamokatra, tompon’andraikitra ary tia tanindrazana.

Tanora matanjaka – Fambolena matihanina – Hoavy mamiratra.

Natao tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny FIAM 2026

SK Madagascar
🇲🇬

Address

Ambohimandroso
109 NUMÉRO1541/19-MID/SG/DGAT/DPID/ANT/ASS

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SK Association posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to SK Association:

Shortcuts

Share