16/05/2026
🥀 STK voafidin'i Kristy, miasa amin'ny Faharetana, mamokatra tsara 🥀
🌺 Noho ny FahasoavaNY 🙏
Tontosa androany Sabotsy 16 may 2026, ny "Asa Sosialy STK" niombonana tamin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra Ambohidroa II.
🌺 Mpianatra miisa 125 no nisitraka ny Tetikasa, nifampitantsoroka ireo sokajinasa rehetra teto anivon'ny STK, tamin'ny fandavorariana ny asa.
➡️ Etoana ary no hananterana Fankasitrahana,
🌹 Ny Talen'ny Sekoly Fanabeazana Fototra Ambohidroa II sy ireo mpiara- miasa aminy, hahomby amin'ny asa Fanabeazana imasoana anie ianareo.
🌹 Ny mpikambana STK, izay tsy nitandro hahasarana, nizara fifaliana ho an'ireo taninketsan'ny Firenena, dia ho tahiaNY manokana anie ny asa fanompoana nanirahaNY antsika.
Misaotra e🙏
Raha misy ny dera, laza sy voninahitra, dia atolotra ho an'Andriamanitra irery.