Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM

  • Home
  • Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM

Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM Aucun cœur ne devrait porter seul ce qui peut être partagé.

🙎‍♀️bavy ah , dahy ah 🙎‍♂️ilay tokantrano fihafiana natoron'i dada sy neny anie ka tsy: 👊 daroka sy vono 🦵💪spectacle her...
15/03/2026

🙎‍♀️bavy ah , dahy ah 🙎‍♂️
ilay tokantrano fihafiana natoron'i dada sy neny anie ka tsy:
👊 daroka sy vono 🦵
💪spectacle herintsandry
😰 fiaretana fampirafesana etsy sy eroa
⚖️ fanitsakitsahana ny zonao
🕧 fiononana amin'ny potipotim-pitiavana omeny anao
💔 ratram-po fa na teny mamy aza tsy azo

fa
🛒 fihafiana tsy manao shopping raha vao hanangona
👔👜 fihafiana tsy manaraka lamaody
🏝 fihafiana tsy mandeha vacance
🍽 mety tsy mandeha resto
🎁 mihafy tsy mahazo cadeau fa mety vitaina amin'ny bisous 😚 sy câlin 🫂 mamy be ny fety
🥂 mihafy tsy mandeha mirevy na mijery fety
🚶‍♂️🚶‍♀️ mihafy mandeha tongotra rehefa tsy manana frais transport
🚘 mihafy tsy mividy ilay fiara hiaka farany fa vao mihary
👨‍💻👩‍💻 mihafy miaraka miasa mafy mba hanana indépendance ny tokantrano

🤕 misy mantsy nareo dia mihafy tokoa na hita fa olana ambolen'ny andaniny aza no miseho
💌 mifampiresaha amin'ny fo sy saina tony
💍 ny vady dia partenairenao , confident(e) ary meilleur(e) ami(e) anao mifampiaro amin'ny sotasotan'ny any ivelany ☠️
🏚 ny tranonao no tokony ho refuge ahatsapanao filaminan-tsaina raha trotraky ny adim-panahy ianao.
💒 io olon-tianao io no sponsor officiel anao sady premier(e) fun anao no conseiller (e) anao ary tokony ho toy izany koa ianao aminy.

♾️ raha tsy izay no miseho dia mifampiresaha
🙏 aza adino ny mametraka ny tokantrano eo ampelatanan'Andriamanitra.
📌 omeo fitiavana ny vadinao/ olon-tianao : na teny mamy kely monja aza dia manova zavatra betsaka 🤗
🍬 na fanomezanao bonbon kely iray amin'ny ilay dimampolo , na voninkazo ⚘️ kely notangosanao teny amoron-dalana ho azy dia hampirehatra ny fitiavany anao.

17/02/2026

Na manilika anao aza ny olona rehetra, tsarovy fa Andriamanitra no tompon'ny teny farany.
Ary efa voahomana ny vokatry ny fikirizanao fa aza kivy na miraviravy tanana

Ilay reny mahantra nahiliky ny fiaraha-monina !!! Tao amin'ny tanàna kely iray no nisy an'i Elise sy ny zanany lahy kely...
17/02/2026

Ilay reny mahantra nahiliky ny fiaraha-monina !!!

Tao amin'ny tanàna kely iray no nisy an'i Elise sy ny zanany lahy kely antsoina hoe Léo.

Hatramin'ny nahafatesan'ny vadiny, dia nivadika tamin'izy ireo ny tanàna. Nantsoin'izy ireo hoe "olona voaozona" izy. Ary na ny ankizy aza tsy avelan'ireo mpiara-belona milalao amin'ny zanany sy mifampitakosona aminy sao hono ifindran'ny fahantrany.

Tsy an'asa, nipetraka tao anaty trano bongo izay nitete ny tafony isaky ny oram-be, nanangona kitay i Elise no mba amelomany ny zanany ary vao maraina dia indreny izy mianaka kely mandeha maka kitay sy mivarotra izany amin'ny mpivarotra m**o sy café.

Indray hariva ririnina mangatsiaka be iny dia nankany amin'ny épicerie i Elise niaraka tamin'ny vola kely teny aminy hividy m**o ataon'izy mianaka sakafo hariva. Tsy nijery azy ireo akory ilay mpivarotra nandroaka azy:
"allez mandeha, mampitsoaka ny clients ianao!" hoy ilay mpanao m**o nanipy ny tapa-m**o.
Sady nihomehy no nanakora sy naneso azy ireo nanatrika teo

Teny an-dalana hody izy ireo dia nahita lehilahy antitra iray nipetraka teo amoron-dalana, nangovitra sy noana. Na dia teo aza ny hanoanany dia nijanona i Elise.
_ "Neny a, mangatsiaka kokoa noho isika izy," hoy i Leo.
Nitsiky tamin'alahelo i Elise ary nanolotra ny sombin-m**o tokana ho an'ilay vahiny.
_ "Inty tompoko. Andriamanitra no hanome izay ilaintsika." Niandrandra ilay lehilahy antitra tamin'ny maso manga mamirapiratra, nandray ny m**o ary nibitsibitsika hoe:
_ "Ny tany izay nolavin'ny rehetra matetika dia manafina ny volamena madio indrindra. Hadio izay tany itomanianao."

Raha nitomany noho ny havizanana tao ambadiky ny trano bongo izy, dia nahatsiaro ny tenin'ilay lehilahy antitra ka nanomboka nangady ny tany na dia tsy nanantena inona loatra aza.

Vao nangady kely fotsiny nefa izy dia namely zavatra mafy ny angadiny ka tapaka: vato lehibebe ihany no nahatapaka ny angadiny ka saika kivy izy nefa nibanjina ny lanitra sady nanainga ilay vato ary akory ny hagagany fa loharano mafana miavaka, manankarena mineraly tsy fahita firy, izay efa voasakana nandritra ny taonjato maro no niboiboika.
Naka rano teo izy nanondrahany ireo tanimboliny ka poa toy izay dia tsara ravina sy vokatra ery ny famboleny.
Nisy fotoana main'ny afo ny tongotr'i Léo zanany nefa vao nosasany tamin'ilay loharano dia nikatona ny fery ary tsy nijanona ny fahagagana fa na ireo akanjony izay nosasana taminy aza dia nivadika ho lamba vao indray.

Nihatsara sy niova hatrany ny fari-piainany ary tsy takona afenina intsony, niroborobo ny famboleny na dia tany ngazana aza no nisy ny tanimboliny, vokatra mihoatra lavitra nohi ireo rehetra ny variny...

Ny fiovan'ny tantara
Niely toy ny afo mirehitra ny vaovao. Tonga avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ireo manam-pahaizana. Hita fa nanana toetra manasitrana miavaka ny loharanon'i Elise.
Tao anatin'ny herintaona: Nanorina tobim-pahasalamana iraisam-pirenena izy.
Tao anatin'ny roa taona: izy no vehivavy nanankarena indrindra tao amin'ny faritra.

Tsy namaly faty ny mponina tao an-tanàna mihitsy i Elise. Mifanohitra amin'izany kosa, nividy ny fanaova-m**o izy mba hanomezana m**o maimaim-poana ho an'ny sahirana ary nanangana sekoly maoderina ho an'ny ankizy rehetra, ary i Leo no mpianatra voalohany.

Tsy nanova ny kaontiny any amin'ny banky fotsiny Andriamanitra; nanova ny anjarany Izy tamin'ny fanaovana ny fanaintainany ho loharanon'ny fiainana ho an'ny rehetra.

📷 illustration généré par IA
✍️Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM

Fiadanana ô 🥰 ho anao izay maniry hanao goûter na hivarotra cake mba ahitana tombony indray ary ity : sady mora atao nef...
17/02/2026

Fiadanana ô 🥰
ho anao izay maniry hanao goûter na hivarotra cake mba ahitana tombony indray ary ity : sady mora atao nefa tsy be dépense.

recette cake commercial

Zavatra ilaina:
lafarinina 500gr
siramamy 200gr
levure chimique 1 sachet
levure boulanger 2 tsongo
Rano na Ronono 350ml
Menaka ¼L
hanitra izay tianao
ranona citron 1 c-à-c

Fikarakarana
♥️ Arotsaka anaty koveta kely na vilia bol ireo ingrédients rehetra.
♥️ tsy kapohina mafy fa afangaro moramora
♥️ rehefa mifangaro tsara dia alaina ny moule ary osorana menaka sy farine kely tsy hiraikitra na mampiasa papier cuisson
♥️arotsaka ao anaty moule ny pâte
♥️ Atsofoka anaty mafaoro à 180° mandritra ny 40mn

Dia vita ny cake antsika 😘
Mazotoa homana daholo dia mahalafosa izay hivarotra ô

PS: azonao tetehana fisaka madinika ihany koa raha amidy atsinjarany mba ho be mpividy

✍️ Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM

🎶 Manantena Anao 🎶Pasteur Jocelyn Ranjarison
12/02/2026

🎶 Manantena Anao 🎶
Pasteur Jocelyn Ranjarison

🎼 Na tsy ho azoko aza
’zay fomba itodranao ahy
Dia matoky aho Tompo ô
Fa Ianao tsy handao ahy 🎵

10/02/2026

mankahery anareo mpiray tanindrazana rehetra ao noho ny 🥺

💔 Anisan'ny zavatra nampalahelo natrehan'ny ekipanay izy ity taona vitsy lasa izay. Ni- encaisser   sy fahafaham-baraka ...
07/02/2026

💔 Anisan'ny zavatra nampalahelo natrehan'ny ekipanay izy ity taona vitsy lasa izay. Ni- encaisser sy fahafaham-baraka mihitsy teo anatrehan'ireo fokonolona

♻️ Marina fa tsy nisy niantso izahay hoe ataovy ity fa amin'ny maha-olombelona anay, nanolo-tena hanampy ny mpiara-belona dia tonga tsy nantsoina nasesiky ny fitiavana izahay 🥺
Bon, izahay koa no adala te hanampy olona any angamba 🧐

🎯 Toy izao no nitranga:
Rehefa nahare antsoantso izahay fa miditra anaty trano fonenana ny rano maloto dia nidina teny an-toerana avy hatrany niresaka tamin'ny mponina. Rehefa natao ny fandinihana ny fizotry ny rano dia hita fa tsentsina ny lakan-drano teo amin'ny ilay tanana ka nahatonga ny rano nihoatra ny lalana tokony nizorany ( ny rano tsy mahay milahatra ka hiandry tour vao mandeha) 😵‍💫

Dia nanolo-tanana izahay hanampy azy ireo hanadio ny malotony tao anaty canal, hisava ilay canal saingy indrisy fa taim-bava no nentina nody 🤧
🔴 " nisy niantso anareo hakaty angaha? "
🔴 " efa ho 50 taona izay nipetrahanay teto , tao anatin'io canal io foana ny fanariana fako sy maloto koa ianareo izay mpandalo tsy mponina eto ve no hibaiko anay amin'ny tokony ataonay?"
🔴 " aza sokirina ny fako fa manjary tsy mandeha ny rano "

🎯 Naninona no androany vao nozaraina izany?
tsy nihevitra hizara azy ity izahay ary noraisinay ho lesona fotsiny ny henatra noraofinay tany ka zary efa adino ny niainana izany, nefa vao tsy ela dia nisy niantso indray sao afaka manampy manadio canal izahay na mamatsy vola anampiana hanadiovana canal (toerana hafa )
❤️‍🩹 Eny nanao izany tokoa izahay fahiny , saingy efa nesorina tao anatin'ny programan'ny fikambanana izany ka ialana tsiny aminareo mangataka tolo-tanana fa efa natsahatray io , satria olombelona nofo sy rà ihany izahay, mahalala malahelo raha mahazo vava noho ny soa tiana atao.
Situation hafa no ifanampiantsika 🥰

✍️ Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM

😵‍💫 tsy nisy nisafidy ny hahantra kosa angamba eh ...kony mo oh 😉 raha by fanirianay izao dia lasa mpanankarena be dahol...
17/01/2026

😵‍💫 tsy nisy nisafidy ny hahantra kosa angamba eh ...kony mo oh

😉 raha by fanirianay izao dia lasa mpanankarena be daholo ny dia mba isika indray no manampy ireo any ivelany 🥰

🍭 izahay ihany koa miezaka manampy araka ny tenin'Andriamanitra mba hifanampy sy hifankatia isika 🥰 fa tsy manana betsaka satria izay kely anananay no zarainay aminareo 💗

✍️ Tsy misy manana ny ampy, fa sambatra izay mifanampy 😊

Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM
📧 [email protected]

Toute l'équipe vous souhaite 🎅 12 mois de prospérité 🎅 52 semaines de bonheur🎅 365 jours de joie 🎅 8760 heures de santé ...
01/01/2026

Toute l'équipe vous souhaite

🎅 12 mois de prospérité
🎅 52 semaines de bonheur
🎅 365 jours de joie
🎅 8760 heures de santé
🎅 525.600 minutes de paix

Que vos souhaits soient exaucés cette année 🎉

⭕️ erikerika mahatondra-drano ✍️ Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSMcontact.soamiahy@gmail.com
28/12/2025

⭕️ erikerika mahatondra-drano

✍️ Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM
[email protected]

28/12/2025

� fizarana fanampiana ho an'ireo sahirana

kely dia kely tompoko fa ny fo manolotra no mameno azy �

# sahirana

💓 misaotra tompoko 💓Fanomezana vatsy ho an'ireo fianakaviana sahirana teto Ambohimanandray 🥳⭕️ Hoy Ny Tompo:
28/12/2025

💓 misaotra tompoko 💓

Fanomezana vatsy ho an'ireo fianakaviana sahirana teto Ambohimanandray 🥳

⭕️ Hoy Ny Tompo:

Address


Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Association Humanitaire Soa- Miahy. AHSM:

Shortcuts

  • Want your organization to be the top-listed Non Profit Organization?

Share