21/05/2026
🎉🌊 FILOHA VAOVAO FIKAMBANA MANJABOAKE 🌊🎉
✨ Tantara vaovao indray no soratana eto amin’ny Fikambanana MANJABOAKE manomboka amin'ity taona 2026 ity ✨
Anio dia fotoana manan-danja sy manamarika dingana vaovao ho an’ny fikambanana, satria voafidy hitondra ny Fikambanana MANJABOAKE amin’ity taona 2026 ity ireo mpitarika vaovao feno traikefa sy vina ho an’ny fampandrosoana maharitra, iizay mandritra telo taona ny fitarihana ny Fikambana.
👑 🔹 MARCELLIN Stefan no FILOHA vaovao MANJABOAKE 🔹
Lehilahy efa niaina sy niara-niasa tamin’ny fikambanana hatramin’ny taona 2004. Fantatra amin’ny :
✅ Fahaiza-mitarika sy fahavononana miaro ny zon’ireo mpanjono
✅ Fitiavana sy fahasahiana amin’ny fiarovana ny harena an-dranomasina
✅ Fahaiza-mitantana ny Rezerva Horita, izay nahazoany Voalohany hatrany sy laza ary vokatra tsara eto Ambatomilo.
🌿 Mpitarika manana traikefa, fahendrena ary vonona hitondra fanavaozana ho an’ny MANJABOAKE.
👑 🔹 THIBOS Jafara no FILOHA LEFITRA vaovao 🔹
Tanora mavitrika sy vonona handray andraikitra amin’ny :
✅ Fitantanana sy fikolokoloana ny harena an-dranomasina
✅ Fanentanana sy fanabeazana ireo tanora momba ny fiarovana ny tontolo iainana
✅ Fananganana taranaka vaovao tia sy miaro ny ranomasina sy ny harena voajanahary
🔥 Izy dia isan’ireo tanora manana vina hampivondrona sy hampahafantatra ny maha-zava-dehibe ny asa fiarovana ny tontolo amorontsiraka sy ny harena an-dranomasina.
🙏 Mirary fahombiazana lehibe ho an’ireo mpitarika vaovao Fikambanana MANJABOAKE amin’ny andraikitra masina sahaniny. Ho feno fahendrena, firaisankina ary fahombiazana anie ny fitarihana vaovao eto MANJABOAKE.
💬 “Ho Ela Velona Anie Ny FIKAMBANA MANJABOAKE” 🌊💙
Blue Ventures Madagasikara
Réseau Mihari - Mihari Network
Velondriake
Teariake Conservation