15/10/2026
TENY HO AN’NY HERINANDRO
Ireo andry fiton'ny fahendrena
Zac Poonen_11-10-2026
"Ny fahendrena efa nanao ny tranony, efa nipaika ny andriny fito izy" Ohabolana 9:1.
Trano tokana ihany no ataon'ny fahendrena. Tsy tempoly izany na trano narafitra. Fa ilay fiangonan'Andriamanitra velona dia ilay fofombadin'i Kristy. Ny fahendrena no nano***a an'izany fa tsy ny fahalalana Baiboly fotsiny. Ny fahendrena no nanao ny trano ary izany trano izany dia mio***a eo ambonin'ireo andry fito izay mampijoro azy. Ireo andry fito ireo dia voatanisa ao amin'ny Jakoba 3:17 araka ny nambaran'ny Fanahy Masina :
Fahadiovana : Ny fiangonana, ilay fiangonana marina, ilay Tenan'i Kristy izay nantsoina ho fofombadin'i Kristy dia ao***a amin'ny fahadiovana aloha voalohany indrindra. Raha tsy misy fahadiovana dia tsy misy ilay fiangonana. Azo ampiharina amin'ny tokantrano koa izany. Ny fahendrena efa nanao ny tranony. Ny tokantranonao sy ny tokantranoko dia tsy maintsy aorin'ny fahendrena ary ny marika voalohan'ny fahendrena dia ny fahadiovana.
Fitiavana fihavanana : Tsy maintsy manana toetra mpandala fihavanana araka izay azo atao isika. Nahoana aho no milaza hoe araka izay azo atao ? Izao no lazain'ny Tenin'Andriamanitra ao amin'ny Romana 12:18 "Raha azo atao dia ataovy izay hihavananao amin'ny olona rehetra". Araka izay azontsika atao dia tsy maintsy maniry fihavanana isika ao am-po. Raha miankina amintsika irery dia tsy maintsy maniry havanana fatratra isika. Izany no andry faharoan'ny fahendrena ary tsy afaka ao***a ny fiangonana raha tsy olona maniry hihavana no miara-mivory. Raha lazaina tsotra dia hoe olona tsy tia ady.
Fandeferana (fahalemem-panahy) : Efa nodinihantsika imbetsaka izany. Tsy misy fahalemem-panahy mitoetra ao anatin'ny nofontsika. Raha ny marina dia olona masiaka, olona lozabe sady ratsy fanahy isika. Noho izany dia tsy maintsy mitondra ny hazo fijaliana isika, mitoetra eo ivelan'ny varavaran'ny fahendrena ka miteny hoe "Andriamanitra ô, ampianaro aho ho malemy fanahy. Ampio aho hihaino, tahaka ny mpiasa vaovao miandry eo ivelan'ny biraon'ny tale". Tsy maintsy mampivory olona te hiady amin'ny toetran'ny nofony mba ho tonga olona malemy fanahy eo amin'ny fiainany isika. Ny fandeferana no andry fahatelo.
Fetezana alahatra : Ny andry fahefatry ny fahendrena dia ny fanekena hilefitra na hoe : mora tenenina. Tsy manao mafy loha tahaka ny ampondra fa miteny hoe "Eny ary, aoka atao araka ny lazainao". Manaiky alahatra. Izany no fanorenana ny fiangonana. Mila mampivory olona te hianatra mba ho tonga olona mora alahatra isika. Izany rehetra izany dia mifanohitra tanteraka amin'ny fomban'izao tontolo izao. Eto amin'izao tontolo izao dia misy fahalotoana ny olona. Izany no andry iorenan'ny tranon'ny fahadalana (Babylona). Ny andry faharoan'i Babylona dia ny fifandirana. Ny andry fahatelon'i Babylona dia ny fahasiahana sy ny tsy fahalalam-pomba. Ary ny andry fahefatr'i Babylona dia ny tsy fetezana hilefitra na amin'ny inona na amin'ny inona.
Be famindrampo (feno famindrampo) : Tsy famindram-po resabe fotsiny. Voasoratra hoe : "sy be voka-tsoa". Ny dikan'izany dia vonona ny hamela heloka sy hamela heloka hatrany foana. Tsy nampiasaina ny teny hoe "feno" tamin'ireo zavatra hafa, fa teo amin'ny famindrampo kosa dia nosoratana manokana mihitsy ny hoe tsy maintsy "feno famindrampo". Tsy azo ekena raha sivifolo isan-jato fotsiny. Tsy maintsy atao feno izany satria tena ilaina dia ilaina tokoa ny famindrampo eo amin'ny samy mpino mba hanorenana ny fiangonana. Ny fahendrena dia feno famindrampo sady feno vokatsoa aterak'izany, izany hoe feno fahatsaram-panahy ary mamela heloka tanteraka tsy misy fepetra ary eo no ho eo ihany ho an'izay olona manisy ratsy antsika. Fahafenoana izany. Tsy hoe mamela ny heloky ny olona anankiray dia avy eo mampihena ny famindrampo aminy. Tsia. Na dia efa namela ny helony aza isika dia tsy maintsy feno hipoka foana ny famindrampontsika satria tsy mitsahatra ny mitobaka izany. Manosotra diloilo ny lohantsika Andriamanitra ary ny kapoakantsika dia ataony feno dia feno. Feno famindram-po amintsika tokoa Izy ka mahatonga antsika ho feno famindram-po tsy tapaka amin'ny hafa izany. Feno famindrampo sy ny vokatsoan'ny famindrampo.
Tsy fiahanahana (tsy fihambahambana) : Tsy mihozongozona, mafy o***a, tsy mivadika, tsy manao marimaritra iraisana, mahitsy. Nisy zavatra nasehon'Andriamanitra anao dia mijoro amin'izany ianao. Tsy azon'ny devoly taomina mba handefitra amin'ny zavatra kely anankiray ianao na amin'ny tombontsoa kely anankiray. Feno famindrampo ianao kanefa tsy mampandefitra ny marina. Tsotra ianao. Andrin'ny fahendrena anankiray izany. Ny hoe "tsy fihambahambana" amin'ny lafiny anankiray dia azo adika koa hoe "tsy misy fiangarana". Tsy miandany amin'ny olona anankiray ianao satria tena namanao akaiky izy ary tsy misaraka amin'ny olona anankiray satria tsy dia azoazonao izy. Tsy azo atao ny mano***a fiangonana miaraka amin'ny olona tahaka izany. Ny dikan'ny hoe tsy miahanahana dia tsy manavakavaka fa mitovy avokoa ny fiheveranao ny olona rehetra.
Tsy misy fihatsarambelatsihy : Farany, ny andry fahafito dia ny tsi-fihatsarambelatsihy. Ny dikan'izany dia marina sy mahitsy ianao. Mety hoe olona tsy tonga lafatra ianao kanefa tsy miseho hoe olona tahaka izao aho kanefa tsy izany akory. Miezaka hanatratra zavatra iray ianao ary tena miezaka amin'ny fonao manontolo fa tsy hoe mody miezaka fotsiny.
Ireo avy ny andry fiton'ny fahendrena. Afaka mandany fotoana betsaka amin'ireo isika kanefa afaka misaintsaina an'ireo samy irery koa. Aza hadino mihitsy fa ny fiangonana marina rehetra sy ny tokantrano marina matahotra an'Andriamanitra dia tsy azo ao***a raha tsy eo ambonin'ireo andry ireo. Tsy maintsy mifantoka amin'ireo andry fito ireo isika ary mijery hoe firy amin'ireo no efa ananantsika ao am-piangonana. Raha tsy ao ny sasany dia amporisihana isika ao amin'ny Jakoba 1:5 mba hivavaka sy hangataka izany amin'Andriamanitra. Ary misy fampanantenana fa Andriamanitra dia hanome malalaka an'ireo fahamendrehana ireo. Ny famantarana ny fiangonana tena izy dia izao nao***a teo ambonin'ireo andry fito ireo izy.
https://malagasy.cfcindia.com/the-church