08/10/2025
Ry Malagasy mpiara-mitolona,
Efa 16 taona izao no sambany, nisy tanora izay nomentsika vahoaka fahefana, no nitondra ny tany sy ny fanjakana,
Efa 16 taona izao no niandrandra fivoarana isika rehetra, niaritra, nanantena ho avy mamiratra,
Efa 16 taona izao no nilentika ny firenentsika, ka ankehitriny tena latsaka an-katerena lalina,
Efa 16 taona izao no niaina lainga, fitaka, fampanantenana paokâty, velirano tsy ilaina sy tsy tanteraka, kolikoly avo lenta, herisetra sy fampihorohorona pôlitika ataon’ireo mpitondra sy forongony.
Tsapanay tokoa na dia aty an-tany lavitra aza izahay, ny fahoriana mamotika sy mamono anareo Malagasy mpiray tanindrazana, izay efa mihatra aman’aina tokoa.
Izahay MPITOLONA SUISSE HAUTE SAVOIE dia manohana tsy misy fepetra ny hetsika nanainga ny rehetra notarihin’i Babà, Clémence Lily sy ny GenZ ary ireo mpitolona namana rehetra ao Madagasikara,
Manameloka tanteraka ireo herisetra arahim-pitaovam-piadiana miaraka amin’ny famonoana izay ataon’ny filoham-pirenena amin’ny vahoaka mitaky ny zony,
Manameloka ny fampiasana volam-bahoaka hanakaramaina Malagasy hamono Malagasy,
Manameloka ny halatra sy fandrobana ny vola sy ny harenam-bavoaka,
Mitaky fahalalahana feno haneho hevitra eny an-kianja ary ihany koa fahafahana maneho hevitra malalaka eo amin'ny sehatra maro, izay himatimatesan'ny mpitondra ankehitriny fa malalaka ny fanehoan-kevitra ary tany demokratika isika malagasy.
Mitaky ny fanatsaharana tsy misy hatak'andro ny fampiasana fitaovam-piadiana mamono ny tanora sy ny miara-dia aminy,
Mitaky ny fialan’ny filoha an’ny repoblika am-perinasa sy ny gouvernemantany ary ny forongony.
Mitaky ny fahamarinana sy ny fitsaràna ho amin’ny rariny.
Hiara-hitolona isika,
Hiaraka handresy isika.
Hanova ho tsaratsara kokoa ny ho avintsika.
Ny MPITOLONA SUISSE HAUTE SAVOIE.